Fizarana vatsy ho fitsinjovana ny mpianatra eo anivon'ny oniversten'i Toamasina

Notanterahina ny 25 jona 2020, ny fizarana ny vatsy ho fitsinjovana ireo mpianatra monina ao anatiny sy ivelan'ny campus eo anivon'i Oniversiten'i Toamasina. Vary milanja 3T, menaka 600 litatra ary sira 5 gony no nozaraina tamin'izany. Isaorana manokana ireo ekipan'ny faritra Atsinanana sy ny manampahefana eto an-toerana, ny Fikambanana Direct'Aid, vatsian'i Koweit, ireo mpandraharaha izay tarihin’ny Filohan'ny Oniversite, ZAFITODY Conscient ary indrindra ny Ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, amin'ny fiaraha-misalahy, entina hiatrehana ny fihibohana sy ny fankalazana ny faha-enimpolo niverenan’ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara.